Maly (sikidy)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Maly, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy faharoa, iray amin' ny tsanganan-tsikidy enina ambin' ny folo, izay apetraka any amin' ny farany ambony sy laharana faharoa farany avy ankavanan' ny fàfana itambaran' ny tsanganan-tsikidy rehetra. Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Maly. Anarana iantsoana ny harena ny Maly.

Fanasokajiana[hanova | hanova ny fango]

Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Maly, ka ny tsanganana, izay samy renin-tsikidy, eo alohany (ankavanany) dia ny Tale, ary ny hafa manarakarala azy (eo ankavia) dia ny Fahatelo, ny Bilady, ny Fianahana, ny Abily, ny Alisay ary ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka (Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Trano na Kiba) dia lazaina hoe tera-tsikidy.

Fahazoana ny Maly[hanova | hanova ny fango]

Aorian' ny fahazoana ny Tale no ahazoana ny Maly: manao tokom-boan-tsikidy efatra ny mpisikidy. Anesorany tsiroaroa mandra-pahasisa iray na roa ny tokom-boan-tsikidy voalohany, dia alainy izay voa sisa (tokana na roa) ka apetrany eo ankavanan' ny lohan' ny Tale mba hamoronany ny lohan' ny Maly. Ampihariny amin' ny tokom-boan-tsikidy faharoa indray izany fihetsika izany mba hahazoany ny tratran' ny Maly izay apetrany eo ambanin' ny lohany. Ampiharina fanintelony amin' ny toko manaraka indray izany mba hahazoana ny vaniany. Ampihariny amin' ny tokom-boan-tsikidy fahefatra farany dia azo ny tongotry ny Maly.

Ny vokatry ny fanakambanana ny Maly[hanova | hanova ny fango]

Ny fanakambanana ny lohan' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fianahana. Ny fanakambanana ny tratran' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Abily. Ny fanakambanana ny vanian' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Alisay. Ny fanakambanana ny tongotry ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fahavalo. Ny fampifanampiana soratry ny Tale sy ny an' ny Maly no ahazoana ny soratry ny Lalana.

Hevitry ny hoe Maly[hanova | hanova ny fango]

Ny Maly dia anarana iantsoana ny "harena" amin' ny sikidy. Io no anjara asa faharoa ao amin' ny tsanganan-tsikidy ka ny sora-tsikidy mety hiaraka aminy no milaza ny mombamomba ny fiharian-karen' ny "mpanontany". Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Maly ka misy "lohany" sy "tratrany" sy "vaniany" ary "tongony". Ny Maly dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tahirin-kevitra azo anovozana[hanova | hanova ny fango]

Boky[hanova | hanova ny fango]

  • Chemillier, Marc, Denis Jacquet, Victor Randrianary & Marc Zabalia, 2005, "L'art des devins à Madagascar", Pour la science 47 : Mathématiques exotiques : 90-95.
  • Dandouau (André.), "Ny fahombiazan' ny sikidy" in Bulletin de l'Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
  • Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
  • Decary, Raymond, avec la collab. de Marcelle Urbain-Faublée, 1970, La Divination malgache par le Sikidy. Paris, Paul Geuthner.
  • Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
  • Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
  • Sibree, James (June 1862). "Divination among the Malagasy, Together with Native Ideas as to Fate and Destiny". Folklore. 3 (2): 193–226.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]