Zom-pirenena

Avy amin'i Wikipedia

Ny zom-pirenena, araka ny lalàna iraisam-pirenena ho an' ny daholobe, dia sata maha anisan' ny vahoaka na orinasan' ny firenena iray, mba hamaritana ny lalàna manan-kery amin' ny fifandirana momba ny lalàna eo amin' ny firenena roa na maromaro. Ny zom-pirenena dia azo ampifanoherina amin' ny fiheverana ny maha olom-pirenena, izay tsy mihatra afa-tsy ao amin' ny lalàna anatiny mba hamaritana ny zo sy ny adidin' ny olom-pirenena ao amin' ny firenena iray ihany.

Ny zom-pirenena dia foto-kevitra maro endrika mifandraika amin' ny maha olona na maha anisan' ny vondron' olona ao amin' ny firenena ara-kolontsaina na ara-pôlitika manokana na manana ny finiavana ny hisy. Ny fivelarana ara-kevitr' io teny io dia vokatry ny tsy fitovian-kevitra teo amin' ny sekolim-pisainana roa tamin' ny taonjato faha-19 izay nifototra amin' ny fanao mifanohitra; ny oniversalisman' ny filôzôfian' ny Fahazavana frantsay sy ny hetsika nanohitra izany, ny relativisma ara-kolontsainan' ny nasiônalisma rômantika alemàna. Noho izany dia azo atao ny miresaka momba ny zom-pirenena ara-pôlitika sy ny zom-pirenena ara-kolontsaina na ara-tsôsialy.

Andaniny, ny zom-pirenena ara-pôlitika dia faritana ho porofo ara-dalàna amin' ny maha anisan' ny vahoakan' ny firenena. Na dia tsy mifangaro hoazy amin' ny maha olom-pirenena aza ny hoe zom-pirenena, dia azo ampiasaina ho mitovy hevitra ihany koa ireo teny roa ireo, amin' ny fitenenana andavanandro sy amin' ny antontan-taratasy ôfisialy.

Ankilany, ny zom-pirenena ara-kolontsaina na ara-tsôsialy dia mamaritra ny vondrom-piarahamonina izay tsy voatery hamorona fanjakana mahaleo tena. Izy ireo kosa dia vondron' olona ao amin' ny fizaràn-tany voafaritra mazava na tsia, izay mitovy vondron-toetra iraisana mampiavaka manokana (fiteny, fivavahana, kolontsaina, tantara) na toetra mampiavaka miankina amin' ny tsirairay momba ny famaritan-tena izay matetika miseho amin' ny alalan' ny fanindrahindram-pirenena (na nasiônalisma).

Ny zom-pirenena dia sata maha anisan' ny vahoakan' ny firenena iray manokana, voafaritra ho toy ny vondron' olona voalamina ao amin' ny firenena iray, eo ambany fahefan' ny lalàna iray, na ho vondron' olona manana firaisan-kina mifototra amin' ny kolontsaina.

Ao amin' ny lalàna iraisam-pirenena, ny zom-pirenena dia fanondroana araka ny lalàna izay mametraka ny olona ho anisan' ny vahoaka, olon' ny firenena, ao amin' ny fanjakana manana ny fiandrianany. Io no manome fahefana ilay fanjakana amin' ilay olona ary manome ny olona fiarovana avy amin' ny fanjakana (firenena) mba tsy hianjadian' ny zavatra ataon' ny firenena hafa.

Ny andininy faha-15 amin' ny Fanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' Olombelona dia milaza fa "Manan-jo hanana zom-pirenena ny tsirairay", ary "Tsy misy olona azo esorina amin' ny fomba tsy ara-dalàna ny zom-pireneny na lavina ny zo hiova zom-pirenena". Ny olona tsy manana zom-pirenena amin' ny firenana rehetra dia olona tsy manana firenena iankinana. Raha ny fomba amam-panao iraisam-pirenena sy ny fifanarahana iraisam-pirenena, dia zon' ny firenena tsirairay ny mamaritra hoe iza no olona mizaka ny zom-pireneny. Anisan' ny lalàna momba ny zom-pirenena ny fanapahan-kevitra toy izany. Amin' ny toe-javatra sasany, ny famaritana ny zom-pirenena dia fehezin' ny lalàna iraisam-pirenena ho an' ny daholobe — ohatra, ny fifanarahana momba ny tsy manana zom-pirenena sy ny Fifanarahana Eorôpeana momba ny zom-pirenena.

Ny fomba atao hahazoana zom-pirenena dia antsoina hoe fananganana ho olom-pirenena. Ny firenena tsirairay dia mamaritra ao amin' ny lalàna momba ny zom-pireneny ny fepetra izay ahafahany mandray ny olona ho anisan' ny olom-pireneny, sy ny fepetra hanesorana izany sata izany. Ny firenena sasany dia mamela ny olom-pireneny hanana zom-pirenena maro, fa ny hafa kosa manizingizina ny tsy hananana afa-tsy zom-pirenena tokana.

Ny zo sy ny adidin' ny olom-pirenena dia tsy mitovy arakaraka ny firenena tsirairay, ary matetika no tovanan' ny lalàna momba ny maha olom-pirenena izany, amin' ny toe-javatra sasany ka ny maha olom-pirenena dia mitovy amin' ny zom-pirenena. Na izany aza, ny zom-pirenena dia tsy mitovy ara-teknika sy ara-dalàna amin' ny maha olom-pirenena, izay dia fifandraisana ara-dalàna hafa eo amin' ny olona iray sy ny firenena iray. Ny olom-pirenena dia mety ho teratany sy tsy teratany. Ny tena mampiavaka ny maha olom-pirenena dia ny hoe manan-jo handray anjara amin' ny fiainana ara-pôlitikan' ny firenena ny olom-pirenena, toy ny amin' ny fandehanana mifidy na amin' ny firotsahana hofidina. Na izany aza, amin' ny ankamaroan' ny firenena môderina, ny teratany rehetra dia olom-pirenen ao amin' ny fanjakana, ary ny olom-pirenena feno dia teratany ao ao amin' ny fanjakana.

Amin' ny lahatsoratra tranainy na amin' ny fiteny sasany, ny teny hoe "zom-pirenena", fa tsy hoe "maha olom-poko", dia matetika ampiasaina hanondroana vondrona ara-poko (vondron' olona mitovy toetra ara-poko, fiteny, kolontsaina, tohin-taranaka, tantara, sns). Ny olona tsirairay dia azo raisina ho olom-pirenena ao amin' ny vondrona manana fizakan-tena izay nanolotra fahefana ho an' ny fanjakana lehibe kokoa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]