Tôtemisma

Avy amin'i Wikipedia
Tsatokazo voasokitra atao tôtema any Ottawa, Ontario, Canada

Ny tôtemisma dia finoana ny fisian' ny fanahin' ny razana na fanahy (mpiaro ny vondron' olona iray) izay mitoetra ao amin' ny atao hoe tôtema (izay mety zavatra voasokitra na biby na zavamaniry inoana fa manan-kasina). Lamin-kevitra sy famantarana ary fanao miorina amin' ny fifandraisan' ny olona na ny vondron' olona sy ny zavatra eny amin' ny zavaboary ny tôtemisma.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Avy amin' ny teny amerindiana avaratra (fiteny ôjiboe) hoe ototeman, izay manondro biby na zavamaniry na ny fanehoana an-tsary (hosodoko, sarivongana, sns) izany.

Na dia tany Amerika Avaratra aza no niavian' ny teny niforonan' ny hoe tôtemisma dia hita any ivelan' ity faritra ity koa io fomba io, ohatra amin' izany ny any Amazônia, ny any Aostralia, ny any Papoazia Ginea Vaovao, ny aty Afrika (ao amin' ny Dinka), sns.

Ny tôtema[hanova | hanova ny fango]

Fanehoana am-panoharana ny razana na ny fanahy mpiaro ao amin' ny vondron' olona iray ny tôtema. Ity vondrona ity dia manam-pifandraisana ara-pinoana amin' ny biby masina, izay mpanome zava-tsoa sady miantoka ny firaisan' ilay vondrona. Any ivelan' i Afrika atsimon' i Sahara sy ivelan' i Ôseania dia tanterahina amin' ny alalan' ny tsatokazo voasokitra sady misoratsoratra amin' ny loko maro ny tôtemisma any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Amerika, indrindra ao amin' ny Tlingita any Alaska. Famantarana ny lohan' ny foko sy ny tarika ary ny fokom-pianakaviana misy azy ny sarim-biby mifanongoa voasokitra eny amin' ny hazo.

Matanjaka ao amin' ny Amerindiana sasany sy ao amin' ny tompon-tany aostraliana ny fifandraisana amin' ny alalan' ny tôtema. Ao amin' ny fiarahamonina misy azy dia matetika heverina ho namana sy havana manana hery tsy araka ny mahazatra sady hajaina ary ivavahana ny tôtema. Matetika mampitovy ny tenany amin' ilay tôtema, izay azo tondroina amin' ny anarana na famantarana manokana, ny olona ao amin' ny vondrona tompon' ny tôtema iray. Ny fitohitohizan' ny taranaka dia mety tafakatra hatrany amin' ny razana nahazoana ny tôtema tany am-boalohany, izay manjary famantarana an' ilay vondrona. Ankoatry ny fombafomba fanao amin' ny fikarakarana momba ny tôtema dia tsy azo atao ny mamono, ny mihinana na ny mikasika ilay tôtema. Milaza ho manam-pifandraisana mivantana sy maharitra amin' ny biby na zavamaniry atao tôtema ny samàna sasany.

Petra-kevitra momba ny tôtemisma[hanova | hanova ny fango]

Maro ny adihevitra momba ny atao hoe tôtemisma nifanaovan' ny mamam-pahaizana. Ny ankamaroan' ny rijan-kevitra (teôria) natolotra tamin' ny taonjato faha-19 sy tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-20 dia notsipahin' ny mpikaroka taty aoriana. Taloha dia noheverina ho fivavahana ny tôtemisma, na, fara faharatsiny, ho endri-piandohàn' ny fanompoana ara-pivavahana, fa ankehitriny kosa dia heverina ho singan-kevitra ao amin' ny antrôpôlôjia, vokatry ny fisarahana araka epistemôlôjia sy tsy manam-pisiana azo tsapain-tanana. Eken' ny maro ankehitriny fa misy ny fifandraisana momba ny tôtema izay mety ahitana singa ara-pivavahana toy ny fivavahana amin' ny razana sy ny animisma ary ny finoana ny fisian' ny fanahy.

Ankehitriny dia misy antrôpôlôga milaza fa fomba fitahirizana ahafahan' ny olona mampifanaraka ny fiainany amin' ny tontolo ara-boajanahary manodidina azy ny tôtemisma aostraliana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]