Krisipôsy avy any Sôlôy

Avy amin'i Wikipedia
Krisipôsy

I Krisipôsy avy any Sôlôy dia filôzôfa stôikiana grika. Teratany avy any Sôlôy, any Kilikia, izy, nefa nifindra tany Atena fony izy tanora, ary lasa mpianatry ny filôzôfa stôikiana Kleantesy. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Χρύσιππος ὁ Σολεύς / Chrysippos ho Soleus. Teraka tamin' ny taona 279 izy ary maty tamin' ny taona 206 tal. J.K. Rehefa maty i Kleantesy, manodidina ny taona 230 tal JK, dia i Krisipôsy no lehibe fahatelon' ny sekoly stôikiana. Mpanoratra mazoto i Krisipôsy izay nanitatra ny foto-pampianaran' i Zenôna avy any Kitiôna, mpanorina sy lehiben' ilay sekoly voalohany, izay nahazoany ny anaram-boninahitra hoe "mpanorina faharoa ny stôilisma".