Kainita

Avy amin'i Wikipedia

Ny Kainita na Kainiana dia hetsika na sekta gnôstika sy antinômista paleô-kristiana nofaritan' ny heresiôlôga isan-karazany nanaraka an' i Ireneo avy any Logdanoma izay, tamin' ny faran' ny taonjato faha-2, nilaza - fa tsy nanome anarana azy io - vondrona iray nampifandraisiny amin' ny Filazantsaran' i Jodasy ary manandratra avo an' i Kaina izay heverin' izy ireo ho ambony vokatry ny fanoherany ny andriamanitry ny Testamenta Taloha (ny Demiorga). I Kaina dia hanajan' izy ireo ho toy ny niharam-boina voalohany noho ny nataon' ny Demiorga, izay hevern' ny vondrona gnôstika maro ho ratsy. Lazain' i Tertoliano sy i Ireneo izy ireo fa nisy tao amin' ny Empira Rômana atsinanana tamin' ny taonjato faha-2.

Atao hoe Καϊνοί / Kainoi sy Καϊανοί / Kaianoi izy ireo amin' ny teny grika.

Ny fisian' ny vondrona toy izany, fara fahakeliny, amin' ny anarana toy izany, dia nampametra-panontaniana ny mpamakafaka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21.