Jiosy malagasy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Jiosy malagasy na Jody malagasy dia ny Malagasy mihevitra fa manam-piaviana jiosy (na jody) ka manandratra izany bebe kokoa raha mitaha amin' ny fiaviany hafa na mandà tanteraka ny fananany fiaviana hafa tsy jiosy (Jiosy na Jody ara-pirazanana) an-daniny, sy ny Malagasy niova finoana ho amin' ny jodaisma (Jiosy na Jody ara-pivavahana) an-kilany. Maro tokoa ny Malagasy lazaina fa manam-piaviana jiosy[1].

Jiosy malagasy ara-pirazanana[hanova | hanova ny fango]

Maro ny Malagasy milaza fa manana fiavina jiosy na hebreo[2].

Fanamarinana ny fisian' ny Jiosy malagasy[hanova | hanova ny fango]

Zavatra isan-karazany no entin' ny mpomba izany hevitra izany hanohanana ny fanambaràna ny maha Jiosy ny Malagasy sasany na ny ankamaroan' ny Malagasy[3]. Betsaka amin' izany ny porofo miorina amin' ny filazana fa misy fitoviany ny zavatra sasany momba ny Malagasy sy ny Jiosy:

Olana momba ny fanamarinana[hanova | hanova ny fango]

Na dia azo heverina ho marina fa misy manam-piaviana jiosy ny Malagasy, noho ny fifaneraseran' ny mponina eran' izao tontolo izao hatramin' ny Andro Taloha na talohan' izany aza, sy ny fifindrà-monin' ny Hebreo na Jiosy, dia betsaka ny olana ara-tantara, ara-kolontsaina, ara-pivavahana, ara-piteny sns izay mahasarotra raisina avy hatrany ny porofo anohanana ny maha Jiosy na Hebreo ny razan' ny Malagasty sasany na ny Malagasy rehetra. Anisan' ireo:

  • ny tsy nahalalan' ny Malagasy ny teny hoe יְהוּדִים / Yehudim ("Jiosy" na "Jody") sy עברים /'ʿIvrim ("Hebreo" na "Hebrio") izany talohan' ny nahatongavan' ny fivavahana kristiana teto Madagasikara. Marihina fa ny Arabo dia manao ny Jiosy hoe يهود / Yahudi sy ny Hebreo hoe عبرانيون / Ibrani[8];nefa tsy hita taratra ao amin' ny fiteny malagasy izany.
  • ny tsy fahafantarana tamin' ny vanim-potoan' ny tantaran' ny Malagasy ny toerana manan-danja indrindra (anisan' izany ny sinagôga) sy ny andro manan-danja indrindra (anisan' izany ny Sabata) eo amin' ny fiainan' ny Hebreo na Jiosy, izay anisan' ny fototra eo amin' ny kolontsaina jiosy;
  • ny fanompoan-tsampy manerana an' i Madagasikara tamin' ny vanim-potoana faha mpanjaka izay tsy nisy fihenany raha tsy taorian' ny nidiran' ny finoana kristiana teto Madagasikara, nefa misy milaza fa nenjehina noho ny fifikirany tamin' ny fivavahany ny Jiosy sasany na izy rehetra izay nifindra monina aty Madagasikara[9];
  • ny tsy fifanandrifiana ara-potoana misy eo amin' ny lovantsofim-piaviam-poko sy ny tantara iarahan' ny mpahay tantara manaiky momba ny tontolo jiosy (sy Semita, amin' ny ankapobeny)[8];
  • ny fifanoheran' ny porofo aroson' ny antokon' olona samihafa izay samy milaza ny tenany fa Jiosy;
  • ny lovantsofina sy tantaran-drazana maro izay tokony ho raisina amim-pandanjalanjana noho izy ireo mifangaro angano na fedrà[6].

Ny foko malagasy lazaina fa manam-piaviana jiosy[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny foko eto Madagasikara ahitana olona lazaina fa manam-piaviana jiosy:

Jiosy malagasy ara-pivavahana[hanova | hanova ny fango]

Jiosy ara-pivavahana[hanova | hanova ny fango]

Amin' izao fotoana izao dia misy ny Malagasy izay tsy azo iadian-kevitra ny maha Jiosy azy amin' ny alalan' ny fiovana finoana ho amin' ny fivavahana jiosy[11]. Tsy ny fananana razambe na ray aman-dreny jiosy ihany fa ny fiovana ho amin' ny jodaisma mantsy dia ampy haha Jiosy ny olona iray araka ny lalàna israeliana. Io fepetra io no mampalalaka ny fitomboan' ny isan' ny Jiosy malagasy ara-pivavahana[12].

Jodaisma eto Madagasikara[hanova | hanova ny fango]

Ny jodaisma eto Madagasikara dia fantara amin' ny fomba ôfisialy ny fisiany tamin' ny taona 2016. Amin' izao fotoana izao dia mitombo isa ny Malagasy miova finoana ho amin' ny fivavahana jiosy[13] [14]. Nanomboka tamin' ny taompolo 2010 no tena nahafantarana ny fisian' ny Malagasy heverina fa manaraka ny jodaisma[15]. Ny maro amin' izy ireo anefa dia ao amin' ny ny jodaisma mesianika [16], izay tsy eken' ny Jiosy ho firehan' ny jodaisma. Ny mpikambana amin' ireo fikambanana ireo dia nifandray tamin' ny Kulanu any New York, Etazonia[17]. Vao tamin' ny 2016 no nisy Malagasy noraisina ho amin' ny jodaisma araka ny fomba jiosy mahazatra, niseho eo anatrehan' ny vondrona raby tao amin' ny trano fandraisam-bahiny Le Pave ao Antananarivo, sady nasaina nilona amin' ny renirano mba hadio ara-pivavahana [18]. Raby telo avy amin' ny jodaisma ôrtôdoksa no nitarika izany. Manakaiky kokoa ny Jiosy sefarada ireo Malagasy nisafidy hanaraka ny jodaisma rabinika ireo.

Raha te hahalala bebe kokoa[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fanovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Dolsten, Josefin (25 November 2016). "In Madagascar, 'world's newest Jewish community' seeks to establish itself". Jewish Telegraphic Agency. Retrieved 24 March 2017.
  2. Devir, Nathan (2018). "Propagating Modern Jewish Identity in Madagascar: A Contextual Analysis of One Community's Discursive Strategies". Connected Jews: Expressions of Community in Analogue and Digital Culture. Liverpool University Press..
  3. Miles, William F.S. (December 2017). "Malagasy Judaism: The 'who is a Jew?' conundrum comes to Madagascar". Anthropology Today. 33 (6): 7–10..
  4. "Jiosy ve ny Malagasy ?" in Ratefy Tolotra, TANIKO Madagascar.
  5. "Le Malgache - la création et l'Homme paradigmatique" Archived Oktobra 4, 2018 at the Wayback Machine - Elishean
  6. 6,0 et 6,1 "Le peuplement de Madagascar - Des migrations et origines mythiques aux réalités de l’histoire" PDF.
  7. "Mysterious Madagascar Community Practicing Jewish Rituals Officially Enters Covenant of Abraham" - Breaking Israel News
  8. 8,0 et 8,1 "Le secret malgache"- The Jerusalem Post (notsidihina tamin' ny 20/11/2018)
  9. Jereo ny tantaran' ny Fanjakana Merina.
  10. Jereo ny pejy ao amin' ny Wikipedia frantsay: "Migrations juives à Madagascar".
  11. "Are Jews a Religious Group or an Ethnic Group?" (PDF). Institute for Curriculum Services.
  12. "In remote Madagascar, a new community chooses to be Jewish" - The times of Israel.
  13. "Are Jews a Religious Group or an Ethnic Group?" (PDF). Institute for Curriculum Services.
  14. "In remote Madagascar, a new community chooses to be Jewish" - The times of Israel.
  15. Josefson, Deborah (5 June 2016). "In remote Madagascar, a new community chooses to be Jewish". Jewish Telegraphic Agency. Notsidihina tamin' ny 24 Marsa 2017.
  16. Kestenbaum, Sam. "'Joining Fabric of World Jewish Community,' 100 Convert on African Island of Madagascar". The Forward. Retrieved 2018-09-26.
  17. Ny Kulanu dia fikambanana jiosy manentana momba ny fiovam-pinoana ho amin' ny jodaisma sy manohana ireo Jiosy tsy afa-mifandray amin' ny namany ary mikarakara ny fampodiana ny Jiosy any an-taniny.
  18. Josefson, Deborah (5 June 2016). "In remote Madagascar, a new community chooses to be Jewish". Jewish Telegraphic Agency. Notsidihina tamin' ny 24 Marsa 2017.