Fivavahana ao Angôla

Avy amin'i Wikipedia
Igreja de Nossa Senhora dos Remédios (Eglizy Katôlika any Angôla), Luanda.

Ny fivavahana ao Angôla dia isankarazany nefa ny kristianisma no arahin' ny maro anisa. Manodidina ny 97 % amin' ny mponina (miisa 34 tapitrisa ny Angôley tamin' ny taona 2022) no Kristiana. Misy vondrom-piarahamonina ara-pivavahana miisa 1 000 eo ho eo ny ao Angôla, ka ny ankamaroany dia kristiana. Hita ao Angôla ny Katôlika, ny Prôtestanta, ny fivavahan-drazana ary ny tsy manana fivavahana arahina.

Kristianisma[hanova | hanova ny fango]

Karazany[hanova | hanova ny fango]

Na dia tsy misy aza ny antontanisa azo itokisana, ny tombantombana dia milaza fa maherin' ny antsasaky ny mponina no Katôlika (56,4 %), ary eo amin' ny ampahefany kosa no Prôtestanta (13 %), fivavahana nampidirina tamin' ny andron' ny fanjanahantany.

Ny Kôngregasiônalista dia hita indrindra eo amin' ny vahoaka Ôvimbondo any amin' ny Lembalemba Avo Afovoany sy amin' ny faritra amorontsiraka mankany amin' ny andrefana. Ny Metôdista dia hita indrindra ao amin' ny vahoaka miteny kimbondo any Luanda ka hatrany Malanje. Ny Batista dia saika eo amin' ny Bakôngô any avaratra-andrefana (misy any Luanda ihany koa). Miely ao Angôla koa ny Advantista sy ny Refôrme ary ny Loterana.

Any Luanda sy ny manodidina no misy ivon' ny tôkôisma izay fivavahana "sinkretika" ary any avaratra-andrefana no misy ny kimbangisma, miely avy any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (na Zaira teo aloha).

Hatramin' ny nahazoan' i Angôla ny fahaleovantena dia fiangonana pentekôtista (10,4 %) sy fiangonana hafa mitovitovy amin' izany anjatony no niorina tao amin' ny tanàn-dehibe ao Angôla, izay onenan' ny 50 % amin' ny mponina ankehitriny; maro amin' ireo fiangonana ireo no avy any Brezila.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Navitrika tokoa ny misiônera vahiny talohan' ny nahazoan' i Angôla ny fahaleovantena tamin' ny taona 1975, na dia noroahin' ny manam-pahefana mpanjanaka pôrtogey ny misiônera prôtestanta hatramin' ny niandohan' ny ady tamin' ny fanjanahantany tamin' ny 1961 aza ary ny tobin' ny misiônera dia nakatona satria noheverina fa manetsika ny hambompo hitaky fahaleovantena ny misiônera. Afaka niverina tao amin' ilay firenena ny misiônera nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1990, na dia nisakana azy ireo hatramin' ny taona 2002 aza ny tsy filaminana noho ny ady an-trano, izay tsy nahafahany namerina amin' ny laoniny ny maro amin' ny tobin' ny misiôna taloha.

Ny Eglizy Katôlika sy ny antokom-pivavahana prôtestanta lehibe sasany dia mipirimpirina, mifanohitra amin' ny "fiangonana vaovao" maro izay mazoto mitory ny Filazantsara amin' ny fitetezana toeram-ponenana sy toerana malalaka. Ny Katôlika sy ny fiangonana prôtestanta lehibe sasany dia manome fanampiana ho an' ny mahantra amin' ny endrika masomboly, biby fiompy, fitsaboana ary fanabeazana.

Fivavahana hafa[hanova | hanova ny fango]

Fivavahan-drazana afrikana[hanova | hanova ny fango]

Ny 4,4 % amin' ny mponina no manaraka ny fivavahan-drazana. Ny 1 % no tsy manana fivavahana arahina.

Silamo[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny 2008 ny U.S. Department of State dia nanombana ny isan' ny Mozilmana eo anelanelan' ny 80 000 sy 90 000, izany hoe latsaky ny 1 % amin' ny mponina, fa ny vondrom-piarahamonina silamo ao Angôla kosa dia mametraka ny isan' izy ireo ho 500 000 eo ho eo. Mozilmana ny ankamaroan' ny mpifindra monina avy ao Afrika Andrefana sy avy any Atsinanana Afovoany (indrindra fa avy any Libanona), na dia misy ny tompon-tany sasany niova fo ho amin' io fivavahana io aza. Tsy manaiky ny fikambanana silamo ho ara-dalàna ny governemanta angôley ary matetika manakatona na misakana ny fananganana môskea.

Fivavahana hafa[hanova | hanova ny fango]

Hita ao Angôla koa ny jodaisma sy ny bahaisma (mpino miisa 2 000 tamin' ny taona 2005) ary ny hindoisma.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]