Fitsaràna Avo momba ny Lalàmpanorenana (Madagasikara)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana eto Madagasikara dia rafitra miandraikitra ny fiantohana ny maha fenitra ambony indrindra ny lalàmpanorenana sy mpitsara ny fifidianana sasany. Koa mba hiantohana ny fanjakana tan-dalàna dia ilaina ny fanamarinana ny fifanarahan' ny lalàna amin' ny lalàmpanorenana amin' ny alalan' ny fanaraha-maso izany. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana koa dia manana fahefana ara-pitsarana eo amin' ny sehatry ny fifidianana ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ary ny loholona.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]