Aller au contenu

Neptiona (planeta)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Neptona)
I Neptona

I Neptiona (marika: ♆) dia planeta laharana fahefatra ao amin' ny Lamin' ny Masoandro sady laharana fahavalo raha ny fanakekezany ny Masoandro no heverina. Mirefy 4 500 000 000 km ny salan' elanelanelan' i Neptiona amin' ny Masoandro ary mirefy 49 400 km ny salan' ny savaivony, izany hoe in-3,81 amin' ny an' ny Tany.

Raha ampitahaina amin' ny Tany dia in-72n' ny hadirin' i Neptiona, im-17,2n' ny lanjan' ny Tany ary ny hakitrony in-0,31 ny an' ny Tany, izany hoe in-1,67n' ny an' ny rano. Avo dia avo ny albedôn' i Neptiona: miverina 84 %n' ny hazavana voarainy. Maharitra 16 ora sy 3 minitra ny faharetan' ny fihodinany amin' ny tenany. Maharitra 164,8 taona ny tsingerim-pihodinany amin' ny Masoandro. Ny halehibeny raha jerena amin' ny maso dia 7,8 nefa tsy hitan' ny maso tsy misy fijeren-davitra izy. Hita miendrika kapila miloko manopy manga izy raha mampiasa fijeren-davitra ny olona mandinika azy. Ny hafanana eo amin' ny vohon' i Neptiona dia -218 °C, sahala amin' ny an' i Oranosy. Ahitana hidirôzena sy heliôma indrindraindrindra ny soson-drivotra ao aminy, nefa ahitana etona metanina koa hatramin' ny 3 % izay manome ny loko manga mampiavaka io planeta io.

Valo ny satelita fantatra miodinkodina amin' i Neptiona, ka ny roa dia azo jerena avy ety ambonin' ny Tany. I Tritôna no lehibe indrindra sy ny mazava indrindra, izay hitan' ilay mpahay kintana anglisy William Lassell tamin' ny taona 1848, taona nijerena an' i Neptiona voalohany indrindra. I Tritôna dia manana savaivo 2 750 km, ka lehibebe noho ny an' ny Volana izany. I Nereida, izay hita tamin' ny taona 1949, no satelita faharoan' i Neptiona, izay manana savaivo eo amin' ny 400 km. Misy satelita enina hafa koa hitan' ny sôndy Voyager 2 tamin' ny taona 1989. Mitongilana 50 ° raha mitaha amin' ny teza fihodinany ny saha manetikan' i Neptiona.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]