Eglizy Komonio Apostolika Malagasy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Eglizy Komonio Apostolika Malagasy dia fiangonana tsy miankina eto Madagasikara, manaraka ny foto-pampianaran' ny Eglizy Katôlika Tranainy, tsy anisan' ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (EKAR) eto Madagasikara, niorina voalohany tao Bekily, ao amin' ny Faritra Androy, sady manana ny foiben-toerany ao koa. Ny pretra Damy Foliantsoa, izay nanompo tao amin' ny EKAR tamin' ny voalohany, no mpanorina azy[1]. Nahazo fankatoavana tamin' ny fitondram-panjakana malagasy ilay fiangonana tamin' ny Desambra 2015 nefa nofoana izany taty aoriana[2]. Nahazo fankatoavana ara-panjakana indray ilay Eglizy, tamin' ny 27 Mey 2022.

Ny mpanorina[hanova | hanova ny fango]

Ny pretra Damy Foliantsoa, izay nanompo tao amin' ny Eglizy Katôlika Apôstôllika Rômana eto Madagasikara tamin' ny voalohany, no mpanorina ny Eglizy Komonio Apôstôllika Malagasy.

Tantaran' ilay fiangonana[hanova | hanova ny fango]

Fananganana ny Eglizy Katolika Apostolika Malagasy[hanova | hanova ny fango]

Hatramin' naha teny Faradofay an' i Damy Foliantsoa tamin' ny taona 2012 dia efa nanomana ny tantarany sy ny Fiangonana hajorony, izay nohamasahiny hatrany hatrany Tanandava, ka nampitondrainy ny lohateny hoe "ECAM, 2ème poumon du catholicisme à Madagascar" ("EKAM, avokavoka faharan' ny katôlisisma eto Madagasikara").

Niorina tamin' ny anaran hoe Eglizy Katôlika Aôstôlika Malagasy (EKAM) ilay fiangonana ary nahazo fankatoavana ara-panjakana tamin' ny 22 Desambra 2015. Nofoanan' ny piraiminisiratra Olivier Mahafaly Solonandrasana tamin' ny fotoanandrony indray izany tamin' ny 13 Avrily 2016[2], tamin' ny antony tsy dia nazava aminy loatra. Tsahoina fotsiny fa ny anarana hoe "katôlika" no mampifangaro zavatra.

Fanorenana ny FSSJEMAD[hanova | hanova ny fango]

Taorian' izany izy dia namolavola taratasy vaovao hampahafantarana ny Fanjakana Malagasy ny fisiany, ka dia noraisiny ilay anarana nampiditra azy, nefa notohizany "MAD" ka lasa FSSJEMAD (Fraternité Sacerdotale Saint Jean l’Évangéliste de Madagascar), izay nosoritany mazava fa tsy hoe fanampiana fanonona fotsiny fa tena foto-kevitra ijoroana mba tsy ho tsindry pastôraly tahaka ny nisy azy fahiny, fa fitoriana tena hiorina amin' ny soa toavina malagasy mba hahatonga ny mpino ho "Jesogasy", ka izy no mahita izay mahasoa fa tsy alentika fotsiny ny fomba sy fijery vahiny.

Fiovana anarana ho Eglilzy Komonio Apostolika Malagasy[hanova | hanova ny fango]

Nanaiky nanova ny anaran' ilay fiangonana ny mpanorina na dia nahindrahindrany aza fa tsy anarana ny hoe "katôlika" fa midika ho universel, izany hoe "maneran-tany", fa ny Rômana sy Malagasy no anarana. Dia novainy ny EKAM (Eglizy Katolika Apostolika Malagasy) ho EKAM (Eglizy Komonio Apostolika Malagasy). Nahazo fankatoavana ara-panjakana indray ilay Eglizy, tamin' ny 27 Mey 2022. Teo no nanomezana alalana azy hanohy fa eo an-dalam-pamakiana ny fototra ijoroany ny Fanjakana, nefa mahagaga fa norarana tsy hanitatra aloha.

Efa tanàna telo no misy azy izao ato amin' ny distrikan' i Bekily, ary iray any ambanivohitr' i Amboasary Atsimo; ankoatra ireo faritra maro efa mangataka fa mbola ilany fandinihana.

Fombam-pivavahana[hanova | hanova ny fango]

Fiverenana any amin' ny fototra niaingana[hanova | hanova ny fango]

Na dia misy aza ny milaza fa niendaka tamin' ny katôlisisma ny EKAM dia tsy manaiky izany ity fiangonana ity fa milaza kosa fa niverina any amin' ny fototra niaingana. Tsy tahaka ny voalaza hoe mitovy tantana amin' ny fombam-pivavahana katôlika rômanina ny fombam-pivavahana ao amin' io Eglizy io fa miavaka tanteraka eo amin' ny maha mpanambady ny mpitondra fiangonana ao aminy sy ny litorijia izay ankalazaina ao.

Ohatra amin' izany ny fipetraky ny ôtely fanoloran-tsorona izay miankina amin' ny rindrina tanteraka, satria mitodika mankany ny pretra rehefa manao sorona fa tsy manatrika vahoaka. Mitondra ny vavaky ny vahoaka izy fa tsy Andriamanitra ivavahana ka hitodika ny vahoaka.

Fafazana ny ran' i Kristy ny vahoaka rehetra manatrika sorona, satria ahindrahindrany fa ny ra latsaka no maha sorona ny sorona, na dia atao hoe tsy latsa-danja amin' izany aza ny sakafo iombonana, raha ny kolom-piainana malagasy no itarafana azy.

Fikambanana amin' ny Eglizy Katôlika Tranainy[hanova | hanova ny fango]

Nandray ny fandovana apôstôlika hatrany amin' ny 1541 izany Fiangonana Katôlika Tridentina izany, tamin' ny tanan' i Mgr Scipione Rebiba, sy ny eveka maro taty aoriany, izay nitohy hatraty amin' ireo eveka roalahy nanamasina an' i Prieur Damy Foliantsoa tany Parisy, dia Mgr Charles tamin' ny taona 1990 sy Mgr Saint Allain.

Fanajana ny kolom-piainana malagasy[hanova | hanova ny fango]

Rehefa vita fanambadiana ara-pomban-drazana malagasy ny mpino ao aminy dia efa tsy tokantranamaso izany fa afaka mandray komonio. Fa amporisihiny kosa hiroso amin' ny ara-panjakana mba ho fitsinjovana ny soa ho an-dravehivavy raha sendra hisy ny fisarahana.

Ny mpanorina[hanova | hanova ny fango]

Fahazazana sy fahatanorana[hanova | hanova ny fango]

Avy any amin' ny fokontany iray, atao hoe Bekiria izy; Kaominina Ifotaka, Distrikan' Amboasary Atsimo, Faritra Anosy. Mbola kely izy dia efa naniry ny ho pretra fa tsy neken-dreniny niteraka azy, fa ny rainy no nanaiky avy hatrany. Zaza faha efatra amin' izy folo mianadahy izy. Afaka bakalôrea izy tamin' ny taona 1991, tao amin' ny Lycée Ambovombe Androy.

Fanompoana tao amin' ny EKAR[hanova | hanova ny fango]

Taloha kelin' ny fanadinana izy vao nomen-dreniny tsodrano hanohy izany lalana maha pretra iriny izany. Rehefa avy nanampy ny relijiozy tao Amboasary Atsimo izy volana vitsivitsy taorian' ny nahazoany ny mari-pahaizana bakalôrea, dia lasa nanohy ny fianarana ho pretra tany Farafangana, tany Fianarantsoa, tany Ihosy, dia niverina tao Fianarantsoa. Nohamasinina ho diakra tao amin' ny paroasy Don Bosco, Ankofafa ao Fianarantsoa izy ny 10 Aprily 2001. Ny 14 Jolay 2001 izy dia efa nandray ny fanosorana ho pretra tao Tanambao Fianarantsoa, tamin' ny tànan' i Mgr Randriambololona Philibert. Tao Ranohira izy no nisantatra ny asa maha pretra azy, ka izy no niandraikitra ny Paroasy Md Vincent de Paul tao Ilakaka sy ny manodidina; ary mbola tsy lefy ao ny anarany noho ny fahaiza-mitoriteny sy ny ezaka pastôraly vitany. Nanohy ny fianarany Siansa Môraly tany amin' ny Universidad Pontificia Comillas, Facultad de Teologia. Instituto Superior de Ciencias Morales tany Madrid any Espaina izy tamin' ny taona 2004-2008, ary ny Tesina mitondra ny lohateny hoe "Ethique et perspectives pastorales pour l'inculturation du mariage à Madagascar" no namaranany azy, izay nanolorana azy naoty ambony indrindra 9/10.

Rehefa niverina avy any izy dia lasa mpanabe teny amin' ny seminera zokiny Lazarista tao Tanantsoa Fianarantsoa, ary nampianatra teny amin' ny seminera interdiôseziana Vohitsoa Fianarantso. Nampianatra morale sexuelle, morale familiale, inculturation, sacrement de l'Ordre, ary nampianatra tamin' ny taranja "Civilisation et langue appliquée", nampianatra teny espaniôla teny amin' ny Anjerimanontolo Andrainjato Fianarantsoa.

Ny taona 2010 izy no nafindra niasa tao Bekily Androy, ary navadika ho "session" ireo taranja nampianariny teny amin' ny Seminera zokiny.

Nafindra teny Faradofay izy tamin' ny taona 2012. Nanome kônferasa maro isankarazany ho an' ny pretra rahalahiny tao amin' ny Diôsezin' i Faradofay, toy ny hoe "Fiangonana mizaka tena", "Fiangonana Fianakaviana misionera", "Ny Fiainam-pianakaviana" sna sady koa nampianatra "Initiation à la philosophie" teny amin' ny seloly Sacré-Coeur ao Faradofay.

Tamin' ny taona 2014 izy no lasa nafindra koa tany Tanandava Lokomby Manakara. Nanohy nampianatra hatrany tany amin' ny seminera zokiny izy tamin' izany.

Fananganana ny EKAM[hanova | hanova ny fango]

Rehefa nihamatotra hatrany ny fandinihany dia nanampa-kevitra niala ny maha pretra lazarista araka ny firehan-kevitra EKAR izy fa nanangana ny hoe EKAM. Nahazo fankatoavana ara-panjakana tamin' ny 22 Desambra 2015, fa nofoanana ny 13 Aprily 2016, tamin' ny antony tsy dia nazava aminy loatra. Tsahoina fotsiny fa ny anarana hoe "katôlika" no mampifangaro zavatra.

Noraisin' ny fikambanan-drelijiozy any Kanada, atao hoe Fraternité Sacerdotale Saint Jean l'Evangéliste (FSSJE), ho isan' ny mpikambana feno ao amin' ny fikambanany, izay miorina amin' ny maha Katôlika Tranainy izy, tamin' ny 23 Aogositra 2020, tamin' ny alalan' ny "Décret d'incardination". Sady noraisiny ho mpikambana feno izy, no nomena taratasy ôfisialy nanendrena azy ho Grand Prieur de Madagascar dans la République de Madagascar, tamin' ny alalan' ny "Lettre missoriale". Notendrena hisahana ny Prieuré Saint Augustin, tamin' ny alalan' ny "Décret d'érection canonique", tamin'io daty io ihany.

Taorian' ny nahazoan' ilay Eglizy fankatoavana ara-panjakana indray dia nohamasinina indray ho pretra sy nasandratra ôfisialy ho Grand Prieur de Madagascar, tany Parisy, tamin' ny 04 Novambra 2022, izay fetin' i Md Charles Borromée, araka ny fomban' ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Tridentina (Kônsily tany Trente). Nofenoina tao aminy ny fanamasinana ny Ordres Mineurs "Portier, Lecteur, Exorciste et Acolyte" sy Ordre Majeur "Sous-Diacre" araka ny fomba Katolika Tridentina, nefa efa tsy iainany Katôlika Rômanina intsony. Fa ny "Ordre sacremental" Diakra sy Ordre des Prêtres kosa, izay efa noraisiny, dia nomena azy indray fa natao hoe "Ordination sub conditione", mba hanehoana fa tsy olon' ny Katôlika Rômanina intsony izy, fa miverina amin' ny maha Kôtolika Tranainy, talohan' ny Vatikana. Pretra katôlika afaka misafidy na ho mpitovo na hanambady araka ny maha Katôlika Tridentina azy izy. Rehefa niverina avy any izy dia nanao sorona voalohany fankasitrahana an' Andriamanitra ny Alahady voalohany amin' ny Fiaviana, 27 Novambra 2022, izay Sorona Masina nangotrokotroka tao Bekily.

Rehefa noraisina ho mpikambana feno ao amin' ny FSSJE izy, dia nanavao taratasy fijoroana ka novany ho FSSJEMAD, izay nahazo fankatoavana ara-panjakana ny 27 Mey 2022. Nofatrarany tamin' ny fanamasinana azy tany Parisy ny 04 Novambra 2022, araka ny fomba katôlika tranainy tridentina, ka afaka nampiely ny finoany.

Ankoatra ireo lalam-pianarana nataony dia nianatra "droit privé" koa izy tao amin' ny CNTEMAD, ary dia nahazo ny mari-pahaizana Master II.

Asa fanasoavana sy fananganana fikambanana[hanova | hanova ny fango]

Mpanorina fikambanana ara-tsôsialy koa ilay mpanorina, ka ohatra amin’ izany ny "Bekily Miaro amin' ny Raharaha Iombonaba (BEMIRAY) izay nijoro tamin’ ny taona 2022. Anisany naoriny koa, tamin' io taona io ihany, ny Atehenan' i Jesoa eto Bekily (AJESBE), izay anampiany manokana ny mahantra izay lazain' i Jesoa fa tenany araka ny Evanjelin' i Md Matio 25:40.

Ankoatra izany dia izy koa no miandraikitra ny fiarovana ny zon' olombelona ao Bekily, amin' ny alalan' ny Trano Aro Zo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. "Ekar manoloana ny Ekam: "Aoka tsy ho voarebireby isika”, hoy ny Mgr Tsarahazana Désiré" Archived Novambra 16, 2020 at the Wayback Machine, Newsmada.com.
  2. 2,0 et 2,1 "Eglise catholique ECAR contre ECAM : le PM fait son choix", Madagascar Television.